Matthew 23

1Ary Jesosy niteny tamin’ireo vahoaka sy ireo mpianany. 2Hoy Izy hoe: “Ireo mpanora-dalàna sy fariseo dia mipetraka eo amin’ny fitoeran’i Mosesy.’ 3Noho izany na inona na inona handidian’izy ireo anareo ho atao, dia ataovy ireny zavatra ireny ka mitandrema azy ireo. Fa aza alaina tahaka ny asan’izy ireo, satria izy ireo dia miteny zavatra nefa avy eo tsy manao izany.

4Eny, fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra izay sarotra entina, ary avy eo dia apetrak’izy ireo eo amin’ny soroky ny olona. Fa tsy hanetsika ny ratsan-tanana iray akory ny tenan’izy ireo mba hitondra azy ireo. 5Manao ny asany rehetra izy ireo mba ho hitan’ny olona. Fa ataon’izy ireo malalaka ny filakiterany, ary itarin’izy ireo ny moron’akanjony.

6Tian’izy ireo ny toeran’ny manan-kaja any amin’ny fanasana sy ny toeran’ny lehibe ao amin’ny synagoga, 7sy ny fiarahabana miavaka eny an-tsena, ary mba ho antsoin’ny olona hoe: ‘Raby’.

8Fa ianareo tsy azo antsoina hoe: ‘Raby’, fa iray ihany ny mpampianatrareo, ary mpirahalahy ianareo rehetra. 9Ary aza miantso ny olona ety an-tany hoe rainareo, fa iray ihany ny Rainareo, ary Izy dia any an-danitra. 10Ianareo aza mety antsoina hoe: ‘Mpampianatra’, fa iray ihany ny mpampianatrareo, dia i Kristy.

11Fa izay lehibe indrindra aminareo no ho mpanomponareo. 12Na iza na iza manandra-tena dia ahetry, ary na iza na iza manetry tena dia hasandratra.

13Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amin’ny olona ny fanjankan’ny lanitra. Fa ianareo tsy mampiditra ny tenanareo, ary tsy avelanareo ireo izay mitady hiditra. 14[ Fanamarihana: Ny antotan-taratasy taloha dia tsy ahitana ny fehezanteny hoe: ‘Fa lozanareo, ry mpanora-dalàna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandany ny tranon’ny mpitondra tena, ary manao vavaka lavareny ianareo. Noho izany dia hahazo fanamelohana lehibe ianareo.’] 15Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpiatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany ianareo mba hampiova fo ny olona iray, ary rehefa miova izy, dia ataonareo ny zanaky ny helo avo roa heny mihoatra noho ianareo izy.

16Lozanareo, ry mpitarika jamba, ianareo izay milaza hoe: ‘Na iza na iza mianiana amin’ny tempoly, dia tsy misy dikany izany. Fa na iza na iza mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly, dia voafatotry ny fianianany izy.’ 17Ianareo ry jamba adala! Iza no lehibe kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay manao ny volamena ho masina?

18Ary, ‘Na iza na iza mianiana amin’ny alitara, dia tsy misy dikany izany. Fa na iza na iza mianiana amin’ny fanatitra izay eo ambonin’izany, dia voafatotry ny fianianany izy.’ 19Ianareo ry olona jamba! iza no lehibe kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina?

20Noho izany, izay mianiana amin’ny alitara, dia mianiana amin’izany sy amin’ny zavatra rehetra eo amboniny. 21Ny iray izay mianiana amin’ny tempoly, dia mianiana amin’izany sy amin’izay monina ao aminy, 22ary ny iray izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy aminy izay mipetraka eo ambonin’izany.

23Lozanareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, fa ianareo dia tsy nankatoa ny raharaha mavesa-danja indrindra amin’ny lalàna- dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Fa ireo no tokony nataonareo ary tsy tokony navelanareo ho tsy vita ny iray hafa. 24Ianareo ry mpitarika jamba, ianareo izay manivana ny lalitra nefa mitelina rameva!

25Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno fitsiriritana sy filana. 26Ianareo ry fariseo jamba! Diovy aloha ny ao anatin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho lasa madio ihany koa ny ivelany.

27Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy; izay tsara ivelany, fa ny ao anatiny kosa dia feno ny taolam-paty sy ny loto rehetra. 28Toy izany ihany koa, ety ivelany ianareo miseho ho marina eo amin’ny olona, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy heloka.

29Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo ary manaingo ny fasan’ny olo-marina. 30Hoy ianareo hoe: ‘Raha niaina tamin’ny andron’ny razambetsika isika, dia tsy ho nandray anjara niaraka tamin’izy ireo tamin’ny fandatsahana ny ràn’ny mpaminany isika’. 31Noho izany dia mijoro vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo fa zanak’ireo izay namono ny mpaminany.

32Ianareo ihany koa dia nahafeno ny fahotan’ireo razambenareo 33Ianareo ry bibilava, ianareo ry taranaky ny menarana, ahoana no handosiranareo ny fanamelohana ho any amin’ny helo?

34Noho izany, indro, maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho anareo Aho. Ny sasany amin’izy ireo dia ho vonoinareo sy hombohanareo; ary ny sasany ho kapohinareo ao amin’ny synagoganareo ary handroaka azy hiala ao an-tanàna. 35Ny vokatr’izany dia hanody anareo ny rà marina rehetra izay nalatsaka teto an-tany, nanomboka tamin’ny ràn’i Abela marina, ka hatramin’ny ràn’i Zakaria zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny fitoerana masina sy ny Alitara. 36Lazaiko marina aminareo, fa ny zavatra rehetra dia ho tonga amin’ity taranaka ity.

37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ianao izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao! Impiry Aho no maniry ny hanangona ny zanakao miaraka, tahaka ny akoho vavy iray manangona ny akoho kely ao ambany elany, nefa tsy nety ianareo! 38Indro, ny tranonareo no avela ho lao ho anareo. Fa lazaiko aminareo, hatramin’izao, tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: ‘Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’ny Tompo.”’

39

Copyright information for PltULB